đźš— Manoloana ny fitohanana mampikaikaika ny maro manomboka any Andranonahoatra Itaosy hatreny amin’ny Rond-point Ampasika dia tsy mitsahatra mikaroka vaha olana ny Polisimpirenena miasa ao Kaomisaria Itaosy, miara-miasa amin’ireo mpitantana ny Kaominina eny an-toerana. Efa nisy ny asa natomboka ary tohizana, hatsaraina hatrany ny fomba fiasa.
âś… Ny 18 May 2026 dia nisy ny fidinana ifotony notahiran’ny Commissaire de Police MAMILOMA Augustin Maradona, lehiben’ny Kaomisaria Itaosy sy ny Polisy misahana ny Fifamoivoizana izay notarihin’ny Commissaire de Police ANDRIAMIZAKA Hasina Ravaka.
‎🚦 Tanjona lehibe amin’izao ezaka izao dia ny fampanarahan-dalĂ na sy fanajĂ na ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra ka hanamaivana ny fitohanana. Tsapa ary hiaraha-manaiky fa manana andraikitra avokoa na ny mpitondra fiara, ny mpitondra kodiaran-droa, ny sarety ary ny mpandeha an-tongotra.
‎🎯 Manentana hatrany ireo mpampiasa lalana rehetra mba hanaraka ireo lamina sy hanaja ny fitsipika mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro izany.

