🪧Notanterahina tao amin’ny COMINOR Antohamandinika ny 08 Jona 2026 ny atrikasa fanamafisana ny Torolàlana azo ampiharina eo anivon’ny Laharana Maitso 147, izay mikendry ny hanatsara ny fandraisana an-tanana ireo tranga herisetra mihatra amin’ny ankizy.
🔷Nandray anjara tamin’izany ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny UNICEF.
🎯Maro ny mpandray anjara, ka ny Sampandraharahan’ny Polisimpirenena miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny ankizy ary ny olona marefo (SCPMPM Anosy sy DPMPM Tsaralalàna) no avy amin’ny Polisimpirenena.
👉Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny torolàlana sy ny fanamafisana ny fiarovana ny zon’ny ankizy ny atrikasa.
✅Entanina hatrany ny olom-pirenena hitoroka raha misy trangana herisetra miseho eny anivon’ny fiaraha monina.
Marihina fa azo antsoina 24 ora / 24 ora ny Laharana maintso 147 ary maimaim-poana ny saran’izany.
FIAROVANA NY ANKIZY SY NY ZONY: NATAO NY ATRIKASA FANAMAFISANA NY TOROLÀLANA EO ANIVON’NY LAHARANA MAITSO 147
