🚨 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana .
👉Lehilahy iray 20 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny PPA4 Antaniavo ny Talata 09 Jona 2026 teo ampanaovana sinto-mahery olona iray niandry taxibe teny Antohomadinika.
đź‘®Polisy nanao fanamiana siviy no nahasambotra azy ary fantatra fa vao avy namita sazy ity jiolahy ity. Eny Antohomadinika, Antsalovana, Antanimena sy Isotry no tena fanaovany ny asa ratsiny ary niaiky izany izy nandritra ny famotorana.
🎯Natolotra ny fampanoavana ny 11 Jona 2026 izy ary naverina eny am-ponja indray.
📢Tsy kely lalana ny ratsy koa manentana hatrany ny rehetra mba ho mailo ny Polisimpirenena, indrindra eny amin’ireo toerana be mpivezivezy. Ny Polisy kosa dia mijoro hatrany miaro ny vahoaka sy ny fananany ary manentana ny olom-pirenena tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.
ANTOHOMADINIKA : MPANAO SINTO-MAHERY SY MPAMENDAKA MALAZA RATSY VOASAMBOTRY NY POLISY
