👮 Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
🏛️ Notanterahina ny Zoma 12 Jona 2026 ny lanonam-pitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Poste de Police Avancé Talata Volonondry, fotodrafitrasa vaovao natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hanatsarana hatrany ny tolotra omen’ny Polisim-pirenena ho an’ny vahoaka eny an-toerana. Fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka rahateo.
🎖️ Tonga nitokana sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Nanatrika ny lanonana Andriamatoa ANDRIAMOSA Avotra, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antananarivo Avaradrano, Andriamatoa RAKOTONIRINA Tojo, Ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny.
👉Nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanatanterahana izao fotodrafitrasa izao ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny laha-teniny. Notsindriany fa manan-danja lehibe ny fisian’ity Poste de Police Avancé ity satria maneho ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana sy fanamafisana ny filaminana eto amin’ny firenena.
🛡️ Nambaran’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny politika manakaiky ny vahoaka sy ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fisian’izao Poste de Police Avancé izao, izay handray an-tanana ireo olan’ny mponina ao Talata Volonondry sy ny manodidina, mba hahafahan’ny rehetra misitraka tolotra fandriam-pahalemana akaiky sy mahomby.
📌Fokontany miisa 14 no sahanin’ity Poste de Police vaovao ity ary efa miasa manomboka izao.

POLISIMPIRENENA MANAKAIKY NY VAHOAKA : NOTOKANANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY POSTE DE POLICE AVANCÉ TALATA VOLONONDRY ARY EFA MIASA MANOMBOKA IZAO

Vous pourrez aussi aimer