đČđŹ Ny sabotsy 20 jona 2026 tolakandro, tao aminâny Kianja Makis Andohatapenaka no nanatanterahana ny seho ara-miaramila manokana izay nampivondrona ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, ho fampisehoana ny fahavononany hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Nandritra izany dia samy naneho ny mampiavaka azy ireo vondron-kery telo, dia ny Tafika Malagasy, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariammpirenena.
đźââïž Nampiseho ireo fihetsika mirindra na amin’ny fampiasĂ na fiara na mandeha an-tongotra ny Polisimpirenena taminâny alalan’ireo Vondrona manokana na ny USPN. Fihetsika izay mampiseho ny maha matihanina ny Polisimpirenena.
đȘ Teo ihany koa ny fitsambikinana an’elonaina nataon’ny Tafika malagasy, maneho ny fahavononana amin’ny iraka manokana.
đ Ny an’ny Zandarimariam-pirenena kosa dia hita nandritra ity seho ara-miaramila ity ny fahaiza-manaon’ny borigady mampiasa aliaka mpitsongo dia entina manenjika ireo mpanao ratsy.
đ€ Tonga maro nanotrona ny fotoana ireo tomponâandraikitra ambony avy amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ka nitarika ny avy amin’ny Minisiteranâny Filaminambahoaka ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ny ContrĂŽleur GĂ©nĂ©ral de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.

