🛡️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy
👮♂️ Fantatra ny fikasan’andian-jiolahy hanao fanafihana mpivarotra ambongadiny iray eny Ambolokandrina, ka nisy ny fanaraha-maso nanomboka ny 21 Jona 2026, izay notanterahan’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny SCUSI na ny Sakamainty.
🚔 Ny alin’ny 22 jona no fantatra fa tena hanao fanafihana eny Ambololokandrina izy ireo ka Nametraka paikady ny Polisimpirenena hisakanana izany, ka rehefa nahatsikaritra ny fisian’ny Polisy ireto olon-dratsy dia nitifitra avy hatrany ; raikitra ny fifandonana ka naratra mafy avokoa ireo jiolahy roa ary maty noho izany.
🔫 Mbola nahitana basy vita gasy calibre 12 iray, bala calibre 12 miisa telo ary antsy iray teny amin’izy ireo.
✅ Ny Polisimpirenena dia tsy mikely soroka amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra.
AMBOLIKANDRINA (RAVITOTO) : JIOLAHY ROA MPAMERIN-KELOKA MATY VOATIFITRA TAORIAN’NY FIFANDONANA TAMIN’NY POLISIMPIRENENA
