– Ady amin’ny halatra isan-karazany
– Taorian’ny antso voarain’ny Polisimpirenena avy amin’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana ao Anosibe Andrefana I, mombana fisiana telo lahy mampiahiahy dia nidina teny an-toerana ny Polisimpirenena nijery ny zava-nisy.
– Vokatr’izany, tovolahy telo no tra-tehaka ny alin’ny 09 Aogositra 2026, teo am-pangalarana « panneaux solaires » teny amin’ny trano vaovao ao Anosibe. Araka ny fantatra, dia olona avy amin’ny faritra manodidina eo ihany izy telo lahy ireto.
– Noentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria boriboritany faha 05 Mahamasina izy ireo ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny famotorana.
– Manentana hatrany ny rehetra, raha mahatsikaritra fihetsika mampiahiahy na tranga mety hanohintohina ny filaminana dia aza misalasala mampandre haingana ny manam-pahefana mba hahafahana mandray fepetra haingana.

 

ANOSIBE ANDREFANA : TELOLAHY MPANGALATRA « PANNEAUX SOLAIRES » VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer