– Nanomboka ny Alatsinainy 17 Aogositra 2026, tamin’ny 4 ora hariva, no nanao filazana tao amin’ny Facebook sy nampandre ny Ekipa Iombonana Misahana ny Fanadihadiana (CNMED) Tsaralalàna ny ray aman-drenin’ireto ankizivavy ireto, mikasika ny tsy fahitana azy telo mirahavavy, 17 taona, 16 taona ary 12 taona.
– Araka ny fanadihadiana, niainga tao Langaina, Avaradrano, izy ireo ary nihazo an’Ambohimanga Rova nitady fiara fitaterana hiakatra aty Antananarivo izy telo mirahavavy, saingy niala teo Amboditsiry ary nandeha an-tongotra nankany amin’ny namany mpiara-mianatra aminy eny Ambohidahy Ankadindramamy.
– Noho ny ezaka nataon’ny tompon’andraikitra sy ny fiaraha-miasan’ny fianakaviana, dia hita teny Ambohidahy Ankadindramamy izy telo mirahavavy, ny 18 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro.
– Araka ny fanadihadiana natao, fitsoahana tao an-trano sy noho ny disadisa nisy teo amin’izy ireo sy ny raiamandreny no voalaza fa antony nialan’izy ireo tao an-tokantrano.
– Ampatsiahivina hatrany ny rehetra mba hanamafy ny fifampiresahana sy ny fanaraha-maso ireo ankizy, mampilazà ny manam-pahefàna raha ilaina izany.
