👮 Olona efatra no voasambotry ny Polisy ao Manakara, taorian’ny nahafantarana fa nikasa hivarotra zazalahy iray 8 taona izy ireo. Niainga avy any amin’ny Kaominina Efatsy, Distrikan’i Farafangana, ireo voarohirohy ka nitondra ilay zaza ho any Manakara.
🔎 Araka ny fanadihadiana, kamboty ilay zazalahy ary notezain’ny iray tamin’ireo voarohirohy.
⚖️ Natolotra ny Fitsarana ireo olona efatra ireo ny 18 Aogositra 2026 ary samy niaiky ny fiampangana azy avy. Voatazona am-ponja izy ireo, raha toa ka napetraka eo ambany fiahian’ny Fitsarana kosa ilay zazalahy, ho fiarovana azy.

MANAKARA : OLONA EFATRA VOASAMBOTRA NOHO NY FIKASANA HIVAROTRA ZAZA 8 TAONA.

Vous pourrez aussi aimer