👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fanendahana.
👮‍♂️ Lehilahy 27 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao kaomisaria Mahamasina ny 11 Oktobra 2026 tamin’ny 6 ora hariva.
🎯 Teo am-panendahana mpandalo andeha hody ity lehilahy ity no tratran’ireo Polisy nanao fisafoana teny an-toerana.
📌 Efa maro no naharaisana fitarainana mikasika ny asa ratsy fanaony ka nikarohana ity jiolahy ity ka izao naha voasambotra azy izao.
🎯 Nahità na antsy lava lela fampiasany manao ny asa ratsiny teny aminy nandritra ny fisavà na.
đźš” Voatazona am-ponja eny Antanimora izy rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 13 oktobra 2026.