🤝 Tontosa Alarobia 27 Mey 2026, tamin’ny 09 ora maraina, tetsy amin’ny biraon’ny Fitaleavamparitry ny Filamimambahoaka Analamanga eny Ivato, ny fivoriana mba ho fametrahana lamina momba ny famerenana ny fampiharana sazy ho an’ireo mpandika ny lalĂ n’ny fifamoivoizana ao amin’ny Faritra Analamanga.
➡️ Notarihan’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Allain Adonis ny dinika.
‎
‎📍Anisan’ny nivoitra nandritra izany ny fandraisana fepetra sy sazy avy hatrany manomboka izao, ho an’ireo tratra mandika ny lalĂ n’ny fifamoivoizana. Izao no natao dia noho ny fahatsapan’ny rehetra fa ny hisian’ny filaminana maharitra ho an’ny mpampiasa lalana no anton’izao fepetra raisina izao, ho fisorohana ny gaboraraka sy ny manao izay saim-patany eny an-dalambe ka zary tsy misy intsony ny fifanajĂ na.
‎
‎🎯 Efa vonona ny Polisimpirenena ao amin’ny Faritra Analamanga manokana amin’ireo toerana hiasan’ny « Police de la Route » sy ny « Agent de la circulation », efa vononona ihany koa ny fitaovana toy ny « Fiche de contravention » sy ny famantarana ho entina manatanteraka ny asa.
‎
‎✅ Tanjona lehibe ihany koa ny famaliana ny filĂ n’ny vahoaka amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana, mba ho hita maso sy hisy fiantraikany tsara amin’ny fiainam-bahoaka isan’andro ny asa sahanin’ny Polisimpirenena eto amin’ny Faritra Analamanga.

