🎉 Tonga nitsidika ireo tranoheva izay miranty ao amin’ny kermesin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL sy Ramatoa vadiny, ny Zoma 19 Jona 2026.
🎆Ity hetsika lehibe ity dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy.
🎠Marihana fa efa nanomboka ny Sabotsy 13 Jona 2026 ity Kermesy ity ; maro ireo hetsika fialamboly sy fanabeazana azon’ny besinimaro sitrahana, toy ny fampisehoana samihafa maneho ny asa sy ny fahaiza-manaon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana. Fotoana iray ihany koa ity ahafahan’ny olom-pirenena mifanerasera mivantana amin’ireo mpitandro ny filaminana sy mahafantatra bebe kokoa ny andraikiny amin’ny alalan’ireo tranoheva isan-tsokajiny.
🎨 Anisan’ny mampiavaka ity andiany ity ny fampisongadinana manokana ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ireo fampirantiana sy seho ara-kolontsaina maro samihafa.
🟢 Maimaim-poana ny fidirana ao amin’ny kermesin’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana izay manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 8 ora alina.

