🇲🇬✨ Ho fankalazana sy fizarĂ na hafaliana amin’ny Fetin’ny niverenan’ny Fahaleovantena, dia nanolotra fanomezana maro ho an’ireo kambotin’ny Ivelan’ny Akany na ny KIA ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo malala-tanana manao asa soa.
➡️ Notanterahina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalà na ny fanomezana izany ny talata 23 jona 2026.
‎
‎🌟 Sady fety no fankasitrahana ny ezaka ihany koa, ka notolorana mari-pankasitrahana ireo ankizy nahazo ny diplaoma CEPE tamin’ity taona ity.
‎
‎🤝 Ny vadin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa, dia nanolotra fisaorana feno ho an’ireo mpanao asa soa rehetra izay miara-mitsinjo ireto kambotin’ny fianakaviamben’ny Polisy ireto.