📍 Jiolahy iray antsoina hoe “Radevoly” no maty voatifitry ny Polisy nandritra ny fifanenjehana ny alin’ny 23 Jona 2026. Avy nanatanteraka fanafihana tao Ambaniatsimo Ilafy izy tamin’io fotoana io.

♦️ Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nanafika tsena fivarotana enta-madinika iray tao Ambaniatsimo Ilafy ity jiolahy ity sy ny namany. Basy vita gasy no nentin’izy ireo nanao izany.

🚔 Nisy nampandre an’io tranga io ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ao Sabotsy Namehana, ka nanao ny fanenjehana avy hatrany. Teny Antanetibe Ilafy no nisy ny fifandonana ka maty voatifitry ny Polisy ity jiolahy ity ary tafaporitsaka tany anaty lobolobo maizina ny namany.

➡️ Fantatra fa efa jiolahy hikoizana i “Radevoly” ary voarohirohy tamina fanafihana hafa tany aloha.

🔎 Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny jiolahy izay tafatsoaka tamin’ity raharaha ity ary hanao ny fomba rehetra hahatratrarana azy ireo ny Polisimpirenena mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

âś… Mitaona ny rehetra mba ho mailo hatrany ary manentana ihany koa tsy hisalasala hitoroka an’ireo mpanao ratsy.

ANKADIKELY ILAFY : JIOLAHY RAI-NDAHINY IRAY MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer