– Ady amin’ny fisolokiana sy fanaovana hosoka
– Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Brigade Criminelle sakelika faharoa (BC2) Anosy , noho ny raharaha fisolokiana sy fanaovana taratasy hosoka momba ny moto.
– Ramatoa iray nikasa hividy moto no nifandray tamin’io lehilahy io, izay nilaza fa manana fifandraisana amin’ny magazay mpivarotra moto. Nifanaraka izy ireo ka nividy iray, izay nokasaina hamidy indray mba hahazoana tombony. Rehefa azo ilay izy, dia nilaza ilay lehilahy fa handeha hanasa ilay moto. Tsy nampoizin’ilay ramatoa anefa fa nentiny nandositra tany Antsirabe izany, ary nokasainy hamidy tany. Fantatra ihany koa fa efa novainy ho amin’ny anarany ny taratasy momba azy.
– Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia voasambotra teny Ankadindtatombo ny Alahady 09 Aogositra 2026 izy, rehefa niverina teto Antananarivo.
– Araka ny fanadihadiana, efa voarohirohy tamin’ny raharaha hafa mahakasika fanaovana taratasy hosoka momba ny moto sy fiara ihany koa ity lehilahy ity.
– Natolotra ny Fampanoavana izy ny 11 Aogositra 2026 ka nidoboka eny Antanimora.

 

LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY FISOLOKIANA SY FANAOVANA TARATASY HOSOKA MOMBA NY VAROTRA MOTO SY FIARA

Vous pourrez aussi aimer