– Fiarovana ny Zaza sy ireo olona marefo
– FENOARIVO ATSINANA
– Ny 12 Aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro dia nisy zazavavy kely 02 taona nirenireny irery teny an-dalana tao amin’ny faritry ny Terrain Maer, sady nitomany sy niantsoantso.
– Noraisin’ny Polisin’ny PMPM avy hatrany an-tanana ilay zaza ary natao ny fikarohana hamantarana ny fianakaviany.
– Araka ny fanadihadiana savaranonando dia navelan’ny Ray aman-dReniny teo ambany fiandraiketan’ny zokiny lahy, izay mbola tsy ampy taona ihany koa, ilay zaza. Variana nilalao « Ludo » niaraka tamin’ny namany anefa ity farany ka tsy nahatsikaritra ny nialan’ny zandriny vavy, izay hita irery teny an-dalana.
– FARAFANGANA
– Tany Farafangana kosa, zazalahy kely tombanana ho 3 taona eo ho eo no nisy nanatitra tao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy ao an-toerana ny 13 Aogositra 2026 tolakandro.
– Voalaza fa nisy vehivavy namela azy teo an-tokotanin’olona ka naterin’ireo farany tany amin’ny Polismpirenena ilay zaza. Tsy fantatra ny mombamomba azy.
– Nentina tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Mponina ilay zazalahy mba hahazoana antoka ny fiarovana sy ny fikarakarana azy mandra-pahitana ny ray aman-dreniny na ny havany.
– Manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany, indrindra amin’ny fiambenana ireo ankizy. Mampilazà ny manam-pahefàna raha misy ilàna izany.

