-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Nahazo angom-baovao marim-pototra ny Polisy ao amin’ny CSP Belo-sur-Tsiribihina ny 14 Aogositra 2026 fa misy lehilahy 31 taona, monina ao Miandrivazo tonga tao Belo-sur-Tsiribihina nitondra basy halatra avy any Ankilitoka Manandaza, Distrikan’i Miandrivazo, ary nitady mpividy izany.
– Taorian’ny fikarohana sy fanamarinana nataon’ny Polisy dia natao ny vela-pandrika ka voasambotra tao Belo-sur-Tsiribihina ilay lehilahy.
– Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky izy fa nangalatra ilay basy, niaraka tamin’ny vary 04 gony, tany Manandaza.
– Nentina tao amin’ny CSP Belo-sur-Tsiribihina ilay basy, miaraka amin’ilay olona voasambotra, mba hanohizana ny fanadihadiana.

 

FARITRA MENABE – BELO/TSIRIBIHINA : LEHILAHY IRAY NAGALATRA BASY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer