– Ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana sy ny ady amin’ny asan-jiolahy, dia nidina teny Ambolokandrina sy Ambohipo ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Ambohijatovo ny 17 Aogositra 2026, nanakatona sy manao fanentanana an’ireo toeram-pisotroana tsy manaja ny ora ara-dalàna.
– Izao no natao dia mba fanajàna ny fitoniana sy indrindra ho fisorohana mialoha izay mety ho asa ratsy sy fandikan-dalàna misy.
– Nampahafantarina sy ampatsiahivina ireo tompon’andraikitra amin’ireo toerana ireo ny ora fikatonana, ary indrindra ny fandraràna ny fanomezana zava-pisotro sy fampidirana zaza tsy ampy taona.
– Manentana hatrany ireo tompon’andraikitra amin’ireny toerana ireny ny Polisy mba hanaja hatrany ny fepetra sy ny fitsipika mifehy ny asany.
– Amporisihina hatrany ny rehetra hiara-hientana amin’ny fiarovana ireo zaza tsy ampy taona amin’ny voka-dratsin’ny zava-pisotro maha mamo.

