🚨 Tontosa ny Alarobia 19 Aogositra 2026 ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fakàn-tsary fanaraha-maso (caméras de surveillance) miisa 30 ho an’ny Polisimpirenena .
©️ Ny orinasa MADA-OZI, mpiara-miombon’antoka amin’ny Polisimpirenena eo amin’ny sehatry ny e-Visa no nanome izany izay mariky ny fahatokisana noho ny asa tsara vita ho an’ny vahoaka.
📹Ireo fitaovana ireo dia natao hanamafisana ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ao amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Arrachart ao Antsiranana. Entina miady amin’ny kolikoly ihany koa.
👉Ny sary azo avy amin’ireo fitaovana ireo dia azo ampiasaina ihany koa amin’ny fisorohana ny tranga mety hampidi-doza, ary hanampy amin’ny fanadihadiana raha misy tranga tsy ara-dalàna.
👮‍♂️ Tonga nandray izany tamin’ny fomba ofisialy ny Talen’ny Fanaraha-maso ny Fifindra-monina, ny Commissaire Divisionnaire de Police SAMY Harison Olivier ; ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Diana, ny Commissaire Divisionnaire de Police MORATAMBY Roger ; niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra Lehiben’ny Sampan-draharaha Foibe avy any Antananarivo, ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana II, ary ireo manamboninahitra sy mpisehatra maro ao amin’ny seranam-piaramanidina.

ANTSIRANANA : NOTOLORANA FAKÀN-TSARY FANARAHA-MASO NY SERANAM-PIARAMANIDINA IRAISAM-PIRENENA AO ANTSIRANANA, IZAY HO AMPISAIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer