đźš” Olona enina (06), mpanendaka sady mpamaky trano no voasambotry ny Polisy, taorian’ny fanendahana olona roa teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe 119 Vatobe 67ha, ny 19 Aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 04 ora maraina no niaingan’ny fikarohana azy ireo.
🔎 Nampilaza ny Polisy manao fisafoana teny an-toerana ilay voaendaka ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fikarohana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny komisaria CSP7 ka Olona telo (03) no voasambotra voalohany ary ireo indray no nanoro ny namany.
🎯 Nitohy ny fitadiavana ka olona telo (03) hafa indray no tratra ny 19 sy 20 Aogositra.
⚖️ Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny CSP7 ireo voasambotra ary natolotra ny Fampanoavana ny 21 Aogositra 2026 ka nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora izy enina, izay vehivavy ny roa.
âś… Fantatra fa sady mamaky trano amin’ny faritra 67ha sy Ankasina iny ireto andian-jiolahy ireto.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : ANDIANA MPANENDAKA SADY MPAMAKY TRANO MIISA 6 VOASAMBOTRY NY POLISY
