👉 Ady amin’ny asan-jiolahy
🔴 Nitrangana fanafihana mitam-piadiana miampy herisetra tao amin’ny tokantrano iray teny Ambohimiadana Bongatsara, ny alin’ny 30 Mey 2026.
🏫 Araka ny fanazavana dia jiolahy miisa 06 no niditra an-keriny tao an-tokantrano, ka ny 02 nijanona tany ivelany ary ny 04 niditra tao anatiny.
💰Nisy entana sy vola lasan’izy ireo tamin’izany ary naratra noho ny herisetra nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana.
🔎 Noho ny angom-baovao sy ny ezaka nataon’ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha misahana ny ady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle), Sakelika Voalohany Anosy dia voasambotra teny Namontana ny 20 Aogositra 2026 ny iray tamin’ireo Jiolahy, ary mbola hita teny aminy ilay finday nalainy nandritra ilay fanafihana.
🕵️‍♂️Nitohy ny fanadihadiana ka voasambotra teny Anosibe ihany koa ny olona 04 mpandray sy mpivarotra entana halatra.
👮‍♂️ Nandritra ny famotorana dia nanondro olona 04 hafa izay voalaza fa mpiray tsikombakomba taminy ireo voasambotra voalohany. Fantatra ihany koa fa mpamerin-keloka ny iray tamin’ireo olona voasambotra.
⚖️Natolotra ny Fampanoavana ny Alatsinainy 24 Aogositra 2026 izy ireo

ANTANANARIVO : TAMBAZOTRAN-JIOLAHY MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA RAVAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer