– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Taorian’ny fahazoana angom-baovao avy amin’ny olom-pirenena tsara sitra-po momba ny tranga vaky trano tao amin’ny fokontany Ampotatra dia nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy miasa ao amin’ny Hery Vonjy Taitra ao amin’ny Fitaleavam-paritra Anôsy.
– Vokany, lehilahy roa no voasambotra ny 05 Septambra 2026 ary nentina teny anivon’ny Kaomisaria hanaovana fanadihadiana.
– Araka ny fanadihadiana savaranonando, dia fantatra fa voarohirohy tamin’ny fanafihana maro izy ireo, anisan’izany ny famakiana Cash Point iray tao Taolagnaro tamin’ny volana Jona 2026 lasa teo.
– Mbola mitohy ny fikarohana ahafantarana izay mety ho jiolahy mpiray tsikombakomba amin’izy roalahy ireto. Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary voatazona am-ponja.
– Miantso ny olom-pirenena hatrany ny Polisimpirenena mba ho mailo sy hanome vaovao haingana amin’ny manampahefana raha mahita tranga na fihetsika mampiahiahy, ho fiaraha-mientana amin’ny fiarovana ny fandriam-pahalemana.
