🚨 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
🚔 Voasambotry ny Polisimpirenena tao Tolagnaro ny olona efatra voarohirohy tamin’ny fivarotana voamason’olona manana toe-tena varira, ny 13 Septambra 2026. Olona tsara sitra-po no nahazoana ny loharanom-baovao tamin’ity raharaha ity ary nandritra ny fisamborana no nahatratrarana ilay taova voalaza fa hamidin’izy ireo.
🔎 Tao anatin’ny fanadihadiana dia voalza fa misy zaza roa mbola velona sy tazonin’ny naman’reto jiolahy ireto any amin’ny faritra Ifarantsa.
🎯 Niroso tamin’ny fikarohana ny Polisy, saingy nisy fifandonana tamin’ireo olon-dratsy, ka iray tamin’izy ireo no lavo ary tafaporitsaka ny sasany. Mbola mitohy ny fikarohana ireo nandositra sy ireo ankizy voalaza fa mbola tazonin’ireo olon-dratsy.
👉 Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olona rehetra misy ifandraisany amin’ity raharaha ity.
✅ Entanina hatrany ny mpiray Tanindrazana amin’ny fanomezam-baovao mba hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra.