👉 Ady amin’ny tsy fahadriam-pahalemana.
👮‍♂️ Lehilahy iray mamo nanakorotana no voasambotry ny Polisy ny alin’ny 12 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina tao amin’ny toeram-pilanonana iray eny Ivandry.
👮‍♂️ Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisin’ny FIP nandamina ny raharaha rehefa nampandre azy ireo ny tompon’ity toerana ity ary namoaka ilay olona tany ivelany.
🔎 Nandritra ny fisavana natao taminy dia nahitana fanafody miloko mavo, izay noheverina ho akora nampiahiahy ka natao ny fanamarinana niaraka tamin’ireo Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ary fantatra fa zava-mahadomelina mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe « extasy » izany.
🤞 Nentina tao amin’ny Kaomisaria Analamahitsy ity lehilahy ity natao famotorana niarahana tamin’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ka voatazona any am-ponja rehefa natolotra ny Fampanoavana.
LEHILAHY IRAY MAMO SADY NITONDRA ZAVA-MAHADOMELINA NO VOASAMBOTRY NY POLISY, NANAKOROTANA TENY IVANDR
