– Olona iray nokarohina noho ny raharaha fivadiham-pitokisana no hita teny amin’ny banky iray tao Farafangana ny 22 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora tolakandro.
– Vantany vao nahazo ny vaovao ny Polisy, dia nidina teny an-toerana ka nisambotra ilay voakasika, mba hanatanterahana ny dingana ara-dalàna. Nandritra ny fisavana ny entany dia nahitàna fanafody gasy isan-karazany teny aminy.
– Notazonina ilay voakasika ary natolotra ny SRPJ Atsimo-Atsinanana, izay misahana ny raharaha, mba hanohizana ny fanadihadiana.

 

FARAFANGANA : OLONA NANAOVANA FIKAROHANA NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer