– Tontosa ny 21 Novambra 2026 ny lanonana ara-miaramila fandraisana fibaikoana izay notanterahina teto Toamasina renivohitra, Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka miisa telo dia Antsinana, Alaotra Mangoro ary Analanjirofo no nandray izany.
– Noho izany : ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Antsinana dia ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOARIJAONA Faly; Talem-paritry ny Filaminambahoaka Alaotra Mangoro ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOVAO Jean Christian, ary ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka ao Analanjirofo dia ny Commissaire Divisionnaire de Police LEKIRA Stéphan.
– Tonga nitarika ity lanonana ity ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor niaraka tamin’ireo Tale isan-tsokajiny avy eto anivon’ny Polisimpirenena.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Fidèle RAZARA PIERRE izay nankasitraka ny fahaiza-mifidy nataon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka amin’ireo Talem-paritry ny Filaminambahoaka efa zatra sy mahay ny toe-draharaha amin’ny toerana nahavoafidy azy avy. Tonga nanotrona izao lanona izao ihany koa ireo olom-boatendry, ireo tompon’andraikitra ambony sivily sy miaramila tao amin’ny faritra isany avy ary ireo olom-boafidy sy manam-pahefana araka ny sokajiny.
– Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra nandritra ny laha-teny izay nataony fa andraikitra sy fanompoam-bahoaka ny fahefana fa tsy tombontsoa manokana. Tokony hotanterahina amim-pahitsiana, fahavononana, fitiavan-tanindrazana ary tsy fanavakavahana izany, sady manaja hatrany ny lalàna sy ny zon’olombelona. Nohamafisiny ihany koa ny maha zava-dehibe ny firaisankina, ny fitsipi-pifehezana ary ny fiaraha-miasa amin’ny hery fiarovana sy ny vahoaka, ho fanamafisana ny fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana sy ho antoky ny fandriam-pahalemana maharitra.

TOAMASINA : LANONANA FANDRAISAM-PIBAIKOANA TEO AMIN’IREO TALEM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA MIISA TELO : ATSINANANA, ANALANJIROFO ARY ALAOTRA MANGORO.

Vous pourrez aussi aimer