☑️ Ady amin’ny fisolokiana.
👮‍♂️ Lehilahy iray 29 taona no voasambotry ny Polisimpirenena, ny 20 novambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro, tao Tanjombato, fantatra fa nikasa haka vola tamin’ny alalan’ny Mvola tao amin’ny Cash Point iray, nefa tsy nisy vola tao amin’ny kaontiny.
📞 Mailo ny tompon’andraikitry ny Cash Point ka nahatsikaritra ny fisolokiana ary niantso avy hatrany ny Polisy.
👮‍♂️ Nidina ifotony ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Vonjy Taitra (UIR) ka nisambotra ilay lehilahy.
🚔 Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisaria Foibe Antananarivo Atsimondrano, Tanjombato, ilay voasambotra, hanohizana ny fanadihadiana.
⚠️ Manentanana ny rehetra mba ho mailo hatrany, Raha misy tranga mampiahiahy dia aza misalasala mampandre ny Polisimpirenena. Ny fahamailoana no antoka iray hisorohana ny fisolokiana!

TANJOMBATO – LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FISOLIKIANA CASH POINT.

Vous pourrez aussi aimer