– Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpandray gasoil halatra, nandritra ny hetsika manokana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny UIR Antsimondrano ny marainan’ny 18 Aogositra 2026.
– Lehilahy iray nitondra daba mavo feno solika no nosavain’ny Polisy sy nohadihadiana ka niaiky fa solika halatra azony avy amin’ireo fiarabe amin’ny faritra Forello iny ity nentiny ity. Nanondro ny namany izay mpandray ny entana halatra miaraka aminy ity lehilahy ity ka voasambotra ihany koa ity farany.
– Tanana atao fanadihadiana izy roalahy ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany. Karohina kosa ireo mpamily fiarabe izay mangalatra solika ka mivarotra izany amin’ireo mpandray halatra.

 

TANJOMBATO : ROA LAHY MPANDRAY SOLIKA HALATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer