– Lehilahy roa no voasambotry ny Polisim-pirenena, noho ny raharaha famonoana nahafaty lehilahy iray teny Andohatapenaka, ny 13 Jolay 2026.
– Araka ny fanadihadiana, niaraka nisotro teny amin’ny toeram-pisotroana iray izy telo lahy, saingy nisy fifamaliana ka nivadika ho herisetra izany ary niafara tamin’ny fahafatesan’ny iray tamin’izy ireo.
– Nandositra ireo voarohirohy, saingy tratran’ny Polisy teny Fasan-Karana ny iray ny 02 Septambra, raha nikasa handositra any amin’ny faritra. Ny 04 Septambra kosa dia voasambotra teny Akadikely Ilafy ny namany, taorian’ny famotorana.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 07 Septambra ireo roa lahy ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy.
– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

 

ANDOHATAPENAKA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRA NOHO NY RAHARAHA VONO OLONA

Vous pourrez aussi aimer