👉 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
📆 Ny 07 septambra 2026 hariva, nahazo antso ny Polisy avy ao amin’ny Hery Vonjitaitran’ny Polisimpirenena (FIP) Bongolava nilaza fa nahatsikaritra basy vita gasy tao amin’ny toeram-ponenan’ny lehilahy iray 31 taona, mpanao biriky, avy ao amin’ny Fokontany Miadankofeno, Tsiroanomandidy Fihaonana.
🚓 Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisy dia nahita basy vita gasy iray tao amin’ilay tokan-trano ka nentina avy hatrany tao amin’ny Komisaria Tsiroanomandidy ilay lehilahy 31 taona mba hanaovana famotorana.
đź”’ Fantatra fa vao herinandro teo ho eo no nahatongavan’ity lehilahy ity tao Atsinanan’ny Gara Tsiroanomandidy.
👮‍♀️ Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena any an-toerana ary ankasitrahana ireo olon-tsotra tsara sitra-po manome vaovao tahaka izao.
✅ Raha ny ao Tsiroanomandidy sy ny faritra Bongolava dia voaporofo fa maro tamin’ireo trangana fanafihana no mampiasa basy vita gasy tahaka itony ireo jiolahy ka antony hanaovan’ny mpitandro ny filaminana vaindohan-draharaha ny fanenjehana izany.

TSIROANOMANDIDY – ATSINANAN’NY Gara : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITAZONANA BASY VITA GASY.

Vous pourrez aussi aimer