✅Nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena, tamin’ny alalan’ny SRPJ Anôsy sy ireo Polisy avy ao amin’ny UIR Tolagnaro, taorian’ny halatra moto nitranga tao Tolagnaro ny alin’ny 29 Aogositra 2026.
🙏 Moto iray no very ny alin’ny 29 Aogositra 2026, ka nametraka fitoriana avy hatrany ny tompony ary dia nanokatra fanadihadiana ny Polisy.
Araka loharanom-baovao voray dia fantatra fa efa nentina tany Amboasary Atsimo ilay moto, ka voasambotra ireo olona nandray sy nifandray tamin’ny fivarotana izany.
🕵️‍♂️ Nitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana ka nahafahana nisambotra ireo olona hafa voarohirohy tamin’ny fangalarana sy ny firaisana tsikombakomba tamin’ity raharaha ity.
⚖️ Rehefa vita ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana tao Tolagnaro, ny 08 Septambra 2026, ireo olona dimy voarohirohy ka nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny Fonjan’i Tolagnaro izy ireo.

TOLAGNARO: OLONA DIMY VOAROHIROHY NANGALATRA SY NITAZONA MOTO NIDOBOKA AM-PONJA

Vous pourrez aussi aimer