👉 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
đź‘®Mitohy hatrany ny fiarahamiasa eo amin’ ny mpitandro ny filaminana sy ny Andrimasom-pokonolona ao Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony toy ny Vaomieran’ny Fandriampahalemana, ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana amin’ireo toerana sy fokontany maro.
🚨 Nisy araka izany ny fisafoana niarahana tamin’ ny Polisimpirenena, nanentanana ireo andrimasom-pokonolona, notanterahina ny alin’ny Zoma 18 Septambra 2026.
🟢Ny hetsika dia notarihin’ny Andriamatoa Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys, Lehiben’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalà na niaraka tamin’ireo lehiben’ny kaomisaria eto Antananarivo Renivohitra.
📍 Fokontany manodidina Anosibe, trano dimy,Andavamamba, tetezan’i Ramala, Andavamamba no notsidihina nandritra izany fisafoana izany,
🤝 Nisy ny toromarika sy fanentanana ho an’ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben’ny Fokontany ny amin’ny fanomezana haingana ny loharanom-baovao raha misy tranga mampiahiahy, tokony mipaka any amin’ny olom-pirenena isam-batan’olona izany.
📇 Notsindriana sy nohanamafisana manokana ny fampiasana bokim-bahiny ho an’ireo mpandalo.

ANOSIBE SY ANDAVAMAMBA : MANATANTERAKA FISAFOANA TSY TAPAKA NY POLISIMPIRENENA HO FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA
