👮 Polisy Malagasy roa lahy avy nahavita fiofanana tao amin’ny Académie de Police Égyptienne, tany Egypta, no noraisin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL tao amin’ny birao fiasany tao Anosy, ny Alatsinainy 21 Septambra 2026.
🎓 Nanomboka ny taona 2025 ny fiofanana ary nifarana tamin’ity taona ity.
👮‍♂️ Izy roalahy ireto no Polisy Malagasy voalohany nahavita fiofanana naharitra tany Egypta, izay nifantoka tanteraka tamin’ny asa marolafin’ny Polisy sy ireo ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
✅ Mpandray anjara avy amin’ny firenena afrikanina miisa 19 no niatrika ity fiofanana ity.
🏅 Nahazo ny laharana Major de Promotion ny Agent de Police RAKOTONDRAINIBE Finoana Sarobidy, raha toa ka nahazo ny laharana faha-8 tamin’ireo mpiofana 52 kosa ny Agent de Police MIANDRARIVO Oliva, ka nampiseho vokatra tsara nandritra izany fiofanana izany.

POLISIMPIRENENA ROA LAHY NAHAVITA FIOFANANA TAO EGYPTA : NORAISIN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

Vous pourrez aussi aimer