📱 Taorian’ny fitoriana napetraky ny olom-pirenena iray ny 8 Septambra 2026, dia nanokatra fanadihadiana momba ny fandrahonana ho faty sy fitakiana vola tamin’ny alalan’ny SMS ny mpitandro ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny « cellule mixte d’enquête  » Tsaralalàna.
🚨Taorian’ny fikarohana dia lehilahy iray no voasambotra teny Ambatofotsy ny 13 Septambra 2026, tomponantoka tamin’ny fitakiana vola 2 400 000 Ariary tamin’ilay niharam-boina.
👮‍♂️ Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy, izay voalaza fa in-telo no nangataka vola tamin’ilay niharam-boina sady nandrahona azy ho faty.
🔢 Laharana finday maromaro no nampiasainy ary nahitàna porofo nampifandray azy tamin’ny raharaha hafa mitovitovy amin’izany.
⚖️ Taorian’ny famotorana sy fanangonana porofo dia natolotra ny Fampanoavana izy ny 16 Septambra 2026 ka nidoboka eny amin’ny Fonjan’ny Tsiafahy.

FANDRAHOHANA SY FITAKIANA VOLA TAMIN’NY ALALAN’NY SMS : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY NIDOBOKA AM-PONJA ENY TSIAFAHY

Vous pourrez aussi aimer