– Ady amin’ny heloka bevava anabaka.
– Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 Oktobra 2026 ny fiofanana ho fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpikaroka fandikan-dalàna momba ny heloka bevava anabaka, izay notanterahina tao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fiofanana mitohy (DRFC) Antanimora, ary niarahana tamin’ireo manam-pahaizana avy any Aostralia.
– Nanokatra ny fampiofanana ny Talen’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC), ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, ny Tale misahana ny Fanenjehana ny Fandikan-dalàna (DPJ), ny Commissaire Divisionnaire de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, ary ny Lehiben’ny Sampan-draharaha miady amin’ny heloka anabaka, ny Commissaire Principal de Police HASSAN Mouigni.
– Miompana amin’ny fomba famantarana, fiarovana ary fampiasana ny porofo nomerika ny fiofanana.
– Hisy araka izany ny fampiharana ara-teknika amin’ny fizahana solosaina, finday ary fitaovana nomerika hafa, mba hahafahana maka ireo angona ilaina amin’ny fanadihadiana.
– Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny hanamafy ny fahaiza-manao ara-teknikan’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny fisolokiana sy ny heloka bevava an-tserasera, ary hanatsara ny fikarohana sy ny fampiasana ireo porofo nomerika amin’ny fanadihadiana ara-pitsarana.


