🛡️ Fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ady amin’ny asan-jiolahy
🚔 Mbola mitohy ary ao anatiny tanteraka ny fanadihadiana momba ireo fanafihana mitam-piadiana niseho teto Antananarivo ny Polisimpirenena, ka isan’izany ilay nahafaty mpandraharaha tanora tetsy Anosibe Tsena tamin’ny tapaky ny volana Oktobra ity.
👮 Mitarika ny fanadihadiana momba izany ny Sampana miady amin’ny Heloka bevava etsy Anosy (BC) ary fantatra fa maromaro ireo voasaringotra izay niainga tamin’ny fahatratrarana ilay jiolahy antsoina hoe Mamenosoa tany Betroka herinandro izay.
🔎 Taorian’izay dia nisy jiolahy iray anisan’ireo mpamatsy basy voasambotry ny Polisimpirenena, teto Antananarivo, ary nahatratrarana basy vita tanana miaraka amin’ny bala iray « calibre 7,65 mm » teny aminy.
🔍 Nanoro ny namany hafa io, izay voalaza fa mitazona ilay basy poleta Makarov nampiasaina tamin’ny fanafihana tetsy Anosibe, ka eny Manarintsoa no misy trano iray fihereny.
📍 Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa miovaova toerana isan’andro io jiolahy mitazona ilay Makarov io, ary tsy mijanona amina trano iray, ary tahaka izany avokoa no fanaon’izy ireo izay tafiditra amin’ity raharaha ity.
🚔 Nanomboka omaly 27 Oktobra 2026 hariva no nanao fikarohana ilay jiolahy teny Manarintsoa ny Polisin’ny BC sy ny SAG, ka ilay jiolahy efa tratra teo aloha izay nahatratrarana basy vita tanana « 7,65 mm » no nentina nanoro ny toerana.
⚠️ Tokony tamin’ny 10 ora alina no indro tokoa nipoitra ity olon-dratsy izay efa kaodikaody, ary nitifitra avy hatrany ka nahatonga fifandonana teo amin’ny roa tonta.
đź’Ą Raikitra ny fifanjevoana saingy tafaporitsaka tanaty elakelan-trano maizina ity jiolahy ity ary mbola karohina hatrany.
🕯️ Tao anatin’izany kosa dia voan’ny balan’ny namany izay tafaporitsaka io ilay jiolahy nentina nitari-dalana, ary na nisy aza ny ezaka natao ho fitsaboana azy dia maty vokatry ny tifitra nataon’ny namany ity olon-dratsy ity.
🔫 Rehefa natao ny fanarahan-dia sy fisavàna ny manodidina dia hita latsaka tanaty elakelan-trano ilay basy Makarov ary giazana hatao porofo.
🚨 Mitohy araka izany ny fikarohana mafy atao amin’ireo rehetra tafiditra anatin’io tambazotran-jiolahy io ary tsara kokoa ho azy ireo no mitolo-batana.
📢 Manentana ny mpiray Tanindrazana ny Polisimpirenena mba ho mailo hatrany ary tsy hisalasala hitoroka sy hampilaza raha misy manam-baovao momba ireo olon-dratsy fa tanana ho tsiambaratelo tanteraka izany.

RAHARAHA FANAFIHANA TETSY AMIN’NY TSENAN’ANOSIBE : BASY ROA AZON’NY POLISIMPIRENENA, JIOLAHY IRAY MATY NANDRITRA NY FIFANJEVOANA, MITOHY NY FANADIHADIANA

Vous pourrez aussi aimer