🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy
👮‍♂️ Miisa dimy ireo olon-dratsy voasambotry ny Polisimpirenena, nandritra ny hetsika hiadiana amin’ny asan-jiolahy eto Analamanga ny 21 sy 22 Novambra 2026.
📍 Tao Ankadimbahoaka, jiolahy avy namaky trano no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina, rehefa avy nangalatra tao amin’ny tonkantrano iray teo Ankadimbahoaka.
🎯 Tetsy Anosibe, mpanendaka gaigilahy iray no tra-tehaky ny Polisy raha mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny.
🚨 Ankoatra izay, Mpamaky trano iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Poste de Police Imerimanjaka, teo am-pisokirana ny varavarakelin’ny trano iray tao Dorodosy Imerimanjaka.
👉 Tetsy Ankaraobato, Mpamaky trano roa samihafa no tratran’ny Polisy miasa ao amin’ny Poste de Police Ankaraobato, mbola teo am-pamakiana trano teny Ambohibahiny sy Ankadilalampotsy, taorian’ny antso voaray avy amin’ny olona tsara sitrapo.
🔎 Manamafy ny hetsika fisorohana ny tsy fandram-pahalemana hatrany ny Polisimpirenena manerana ny Nosy hiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Entanina ny rehetra tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy ahfahana mandray andraikitra.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : JIOLAHY MPAMAKY TRANO SY MPANENDAKA MIISA DIMY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer