👉 Polisimpirenena Malagasy miaro sy manampy ny vahoaka
🗣️Nohon’ny fielezan’ny vaovao diso, milaza fa misy angatra mamono izay olona tsy mifoha ao Morondava dia nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Morondava sy ny sampan-draharahan’ny « cybercriminalité » ka tratra ny Lehilahy iray 21taona tao Antsimahavaobe tokony ho tamin’ny 08ora maraina.
🎯Ity lehihay ity izay tompon’ny « Compte facebook malaza sy be mpanaraka ary nanaparitaka ranty nanentana ny olona mpanaraka azy tsy hatory ny alin’ny faha 21 novambra hifoha ny 22 novambra 2026 noho izay tsaho izay.
đź‘® Rehefa niakatra Fampanoavana ny 24 Novambra 2026 ny raharaha dia nidoboka am-ponja ity lehilahy ity.
âś… Ampatsiahivina hatrany isika fa voararan’ ny lalĂ na ny fanakorontanana saim-bahoaka amin’ny alalan’ny fanelezana tsaho sy vaovao diso.
📌 Miantso ny rehetra mba ho mailo hatrany manoloana ny ranty mivoaka anaty tambazotra Facebook.
MORONDAVA : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISMPIRENENA NOHO NY FANELEZANA TSAHO TAMIN’NY TAMBAZOTRAN-TSERASERA.
