🔹 Nanomboka androany 08 Jolay 2026 ary hitohy hatramin’ny 29 Jolay 2026 ny fanomanana ireo mpampiofana eo anivon’ny Sekolim-pirenena Manofana ho Inspecteurs sy ho Agents de Police (ENIAP) Antsirabe. Fiomanana natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana izany, mialoha ny handraisana ireo mpianatra ho polisy vaovao izay hiditra an-tsekoly ny 01 Aogositra 2026.
🔹 Mandritra ity fiofanana ity dia hifantohana ny :
🔸 Fanomanana ara-batana;
🔸 Fanomanana ara-tsaina;
🔸 Fanomanana ara-panahy.
🔹 Tanjona ny hananana mpampiofana vonona, vanona ary manana traikefa ampy amin’ny fanabeazana sy fanofanana ireo mpianatra, ka hanampy amin’ny famolavolana Polisy matihanina, manan-kasina ary vonona hanompo ny firenena.

ENIAP ANTSIRABE : NANOMBOKA NY FIOMANAN’IREO MPAMPIOFANA MIALOHA NY FANDRAISANA MPIANATRA POLISY VAOVAO

Vous pourrez aussi aimer