📍 Notanterahina ny 25 Jolay 2026 tao amin’ny Tranom-bokimpirenena Anosy ny fihaonana teo amin’ny Fikambanana Vady Polisy sy ny Polisy Vavy (FIVAPOVA) Nasionaly sy ireo mpikambana ao amin’ny Faritra Analamanga.
🙌 Nanome voninahitra izany ny Commissaire Principal de Police HAJANOMENA Razafindrasoa Bernadette, Filoha Nasionalin’ny FIVAPOVA, sy Ramatoa TSARAMONINA Fanjanirina, Mpandrindra Nasionalin’ny FIVAPOVA.
đŸ”· Nifantoka tamin’ny fanentanana, fifampizarana traikefa ary fanamafisana ny firaisankina teo amin’ireo mpikambana ny fihaonana.
📋 Nandritra izany ihany koa no nanomanana ireo hetsika hotanterahina amin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Polisimpirenena, amin’ity taona ity.
⭐Nofaranana tamin’ny fiofanana momba ny fahaiza-mihaino sy ny fandraisana fitenenana ampahibemaso ny fotoana, mba ho fampitomboana ny fahaizan’ireo mpikambana sy hampitombo ny fitokisan-tenany.
© Ny Groupe Smile Box, tarihin’i Coach Tahiry RAMANANTSOA, no nizara traikefa sy nitarika izany fiofanana izany.

FIVAPOVA NASIONALY : MIOMANA HO AMIN’NY FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer