– Hita soa aman-tsara tao Morondava ilay Vehivavy 18 taona, mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, izay efa notaterina ho tsy hita teto Antananarivo nanomboka ny 25 Jolay 2026.
– Tamin’ny alalan’ny fakan-tsary fanaraha-maso tao amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse Andohatapenaka no nahafantarana fa niakatra fiara fitateram-bahoaka zotra Antananarivo–Morondava ilay tovovavy.
– Teny amin’ny plage Nosikely izy, niaraka tamin’ny tovovavy iray namany no hita. Nanokatra fanadihadiana ny Polisim-pirenena mba hamantarana ny anton’ny tsy fahitàna azy satria hatreto dia mbola manjavozavo izany.
– Nandritra ny famotopotorana ihany koa dia tsy mbola hita izay tena marina tamin’ny fihetsika niteraka tebitety teo amin’ny fianakavian’ity tovovavy ity.
