🚨 Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
📅 Rai-mpianakavina iray no nentin’ireo Polisy miasa ao amin’ny Paositra Ankerana, tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Faha-8 Analamahitsy, ny 12 Septambra 2026.
👮‍♂️ Nanakorontana ny fiarahamonina misy azy ity lehilahy ity ary efa fanaony matetika izany rehefa mamon-drongony izy araka ny fitarainana voarain’ny Polisy.
🏠 Misy ireo entana nosimbainy sy olona efa noratrainy saingy natao raharaham-pihavanana hatrany saingy ankehitriny kosa tofoka azy ny fiaraha-monina.
📌 Nandritra ny fisamborana azy teny an-toerana dia mbola nahitana ambina rongony tamin’ireo avy nofohany tany aminy.
👮‍♂️ Notazomina vonjimaika ao amin’ny kaomisaria ity farany, ho fanohizana ny fanadihadiana.
📢 Aza misalasala manatona na mampandre ny Polisy raha misy tranga ilàna izany.

ANALAMAHITSY : LEHILAHY IRAY MAMON-DRONGONY KA NANAKORONTANA NY FIARAHA-MONINA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer