🩸 Tontosa androany, 14 Septambra 2026, tao amin’ny Hopitaly HJRA Anosy, ny fanokafana ny Herinandro ho an’ny Fanomezan-drĂ eto anivon’ny Polisimpirenena izay ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha 65 taonan’ny Polisimpirenena malagasy.
👮‍♀️ Tonga nitarika izany Ramatoa Sekretera jereralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, sy Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, niaraka tamin’ireo tompon’Andraikitra ambony sy ireo Polisimpirenena tonga hanao ny fanomezan-drĂ .
🤝 Nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamà na, ny Dr TOMBOFENO Jean Marc ka naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka izy ireo, noho ny fahavononana sy ny fahafoizan-tena amin’ny famonjena ireo mpiara-belona.
➡️ Nanentana ny rehetra izy mba haka tahaka amin’ny Polisimpirenena amin’ny fanomezan-drĂ tahaka izao satria tsapa fa tena tsy ampy ny tahirin-drĂ eny anivon’ny Hopitaly.
🗣️ Nanamafy ihany koa Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Polisimpirenena, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, fa isan’ny endrika iray amin’ny fanampiana ny mpiray Tanindrazana ny fanomezan-drĂ .
📢 Nanentana ny Polisimpirenena rehetra manerana ny Nosy izy mba handray anjara amin’ny hetsika fanomezan-drĂ .
Maharitra herinandro ny hetsika fanomezan-drĂ ataon’ny Polisimpirenena ary efa samy manataneraka izany ireo any amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka rehetra eran’i Madagasikara.
🩺 Nisy hiany koa ny fitiliana diabeta natao tao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka Anosy androany maraina ihany. Izany dia mba hahafahana manara-maso akaiky ny fahasalamĂ n’ireo mpiasam-panjakĂ na eo anivon’ny Polisimpirenena ka hahatonga azy ireo ho tomady sy vonona lalan-dava amin’ny asa ho an’ny mpiray Tanindrazana.
âś…Hetsika maro samihafa no entina hanamarihana ny faha 65 taona nijoroan’ny Polisimpirenena malagasy mandritra ity volana Septambra ity.

