🚔 Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
👮‍♂️Nanao fidinana ifotony teny Ankorondrano ny Polisy miady amin’ny zava-mahadomelina eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga ny tolakandron’ny 11 Septambra 2026 rehefa nahazo angom-baovao mombana mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika.
👉Vokany, lehilahy miisa 06 no tra-tehaka tao amin’ny trano iray, ary nahatrarana rôrô miisa 15, seringue 4, fandanjà na heroïne 1, briquet 3 ary fonosana rongony 1, niaraka tamin’ny antsy 1 sy « nunchaku » 2 ary fitaovana hoetina midoroka zavamahadomelina samihafa.
🚨 Tamin’io 11 Septambra 2026 io ihany, tokony tamin’ny 12 ora atoandro, dia nanao fidinana ifotony tao amin’ny faritra IVO Antohomadinika ihany koa ireo Polisy, noho ny angom-baovao momba ny fivarotana rongony.
👥 Olona 2 no tra-tehaka tao an-toerana, ka ny iray tamin’izy ireo mpivarotra efa malaza ratsy ary ny iray dia mbola teo am-pividianana rongony.
➡️ Nahatrarana rongony 12 fonosana sy fehiny iray harona plastika ihany koa teny amin’ izy ireo.
⚠️ Mitohy ny fanadihadiana momba ireo raharaha ireo. Ireo voasambotra dia hatolotra ny fampanoavana araka ny fepetra voalazan’ny lalà na rehefa vita ny famotorana savaranonando.
✅ Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena tsara sitra-po amin’ny fanomezam-baovao fa poizina ho an’ny tanora ary miteraka tsy fandriam-pahalemana ho an’ny fiaraha-monina ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
ANKORONDRANO SY ANTOHOMADINIKA : ENIN-DAHY TRA-TEHAKA NOHO NY FIVAROTANA SY FITSINDRONANA HEROĂŹNE, ROA LAHY HAFA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO FIVAROTANA RONGONY
