🚨 Ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalà na ny zava-boahary arovana
📅 Tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy amin’olon-tsotra, mahakasika ny fisian’olona mitondra biby arovana avy any Toliara, izay kasaina hamidy eto Antananarivo ary haondrana any ivelany, ny 17 Septambra 2026; dia nandray ny andraikiny ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Alasora nijery ny zava-nisy marina teny amin’ny fiantsonana Amoronakona.
👮‍♂️ Taorian’ny fanangonana sy fanamarinana ny vaovao dia nanao vela-pandrika ny Polisy.
✅ Vokatr’izany dia olona iray no voasambotra, ary nandritra ny fisavana dia tratra teny aminy ireo biby arovana toy ny : tarondro, katsatsaka anaty tavoahangy ary arazamboa.
⚖️ Nentina teny amin’ny Kaomisaria avy hatrany ilay voasambotra sy ireo biby arovana teny aminy, ary hatolotra ny Minisiteran’ny Tontolo iainana ho fanohizana ny fanadihadiana.
📢 Ankasitrahana ny olom-pirenena tsara sitra-po izay mahatsapa fa misy adidy hitambarana ny fiarovana ireo harem-pirenena
ALASORA : BIBY AROVANA SAIKA HAONDRANA SY AMIDY ETO ANTANANARIVO, TRA-TEHAKY NY POLISIMPIRENENA.
