– Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaomisaria Mahanoro sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambodiharina, dia lehilahy iray 48 taona no voasambotry ny Polisimpirenena tao amin’io kaominina io, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva ny 23 Septambra 2026.
– Vola sandoka maromaro no hita teny aminy, ka nahatratra 8 120 000 Ariary izany.
– Nandritra ny fisavàna dia vola taratasy sandoka 406 isa amin’ ny 20 000 Ariary, ary vola madinika samy hafa no hita tao aminy.
– Nosamborina avy hatrany izy ary nentina tao amin’ny biraon’ny Polisy ho tohin’ny fanadihadiana.
– Manentana ny rehetra ho mailo fa misy ireo olon-dratsy minia manaparitaka vola sandoka.

 

MAHANORO : LEHILAHY IRAY NAHATRATRANA VOLA SANDOKA MANODIDINA NY 8 120 000 ARIARY, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer