▶️ Ady amin’ny halatra isan-karazany.
🚔 Lehilahy iray 36 taona no voasambotry ny Polisimpirenena tao Antsiranana ny alakamisy 19 novambra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora MARAINA, taorian’ny fahazoana antso avy amin’ny olona tsara sitrapo nilaza fa nisy fiara vaky tao amin’ny fiangonana FLM, fokontany Avenir.
👮‍♂️ Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka nahita fiara roa, samy efa vaky ary very ny autoradio sy ny batterie tao anatiny.
🎯 Nandritra ny fisafoana sy ny fizahana ny manodidina dia nahatsikaritra lehilahy iray nitondra gony ireo Polisy. Niezaka nandositra ity farany saingy tratra, ary nahitana batterie roa tao anatin’ilay gony.
👮‍♂️ Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ity lehilahy fa mangalatra sy mamaky fiara, ary nanondro ireo olona miisa dimy hafa voalaza fa mpiara-miasa aminy, ka voasambotra ihany koa izy ireo.
📌 Nahitàna batterie miisa 12 sy autoradio miisa 08 halatra tao an-tranon’izy ireo nandritra ny fisavana.
☑️ Nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny Polisy hatao famotorana alohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.

ANTSIRANANA : OLONA MIISA ENINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FANGALARANA ENTANA ANATY FIARA.

Vous pourrez aussi aimer