– Nanomboka ny 03 Aogositra 2026 tao amin’ny DRSP Menabe, Morondava ary naharitra 3 andro ny fiofanana SPSD (Système de Protection et Self Défense) ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Polisy miasa any an-toerana.
– Ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Morondava, CRFIP Menabe, Kaomisaria Miandrivazo, Kaomisaria Mahabo, Kaomisaria Manja ary Kaomisaria Belo sur Tsiribihina ; no mandray anjara amin’ny fiofanana.
– Mikendry ny hanamafisana ny fahaizan’ireo Polisy amin’ny fiarovan-tena sy ny fanatanterahana ny asa amim-pahaiza-manao sy araka ny fenitra matihanina izao fiofanana izao.
DRSP MENABE : NISITRAKA FIOFANANA MOMBA NY FIAROVAN-TENA NA NY « SELF DEFENSE » IREO POLISIMPIRENENA