👤 Tonga nitsidika sy nihaona tamin’ny solon-tenan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny Alarobia 01 Jolay 2026 ny Kolonely OLIVIER DUCRET , Lehiben’ny Sampana misahana an’i Afrika Atsimon’i Sahara eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-pilaminana sy Fiarovam-pirenena ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Frantsay niaraka tamin’ ireo delegasiona notarihiny. Ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Simon, Tale misahana ny Fanadihadiana Anatiny, sy ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana mitohy, no nandray azy nandritra izany fitsidihana ara-pomba fanajana izany tao amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka Anosy.
🤝 Nifampidinika momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta, indrindra eo amin’ny fampiofanana ireo Polisimpirenena Malagasy, mba hanatsaràna hatrany ny kalitaon’ny asa sy hiatrehana ireo ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA NY KOLONELY OLIVIER DUCRET, LEHIBEN’NY SAMPANA MISAHANA AN’I AFRIKA ATSIMON’I SAHARA EO ANIVON’NY FIARAHA-MIASA ARA-PILAMINANA SY FIAROVAM-PIRENENA AO AMIN’NY MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY FRANTSAY.

Vous pourrez aussi aimer