🏛️ Manoloana ireo tranga mampiahiahy niseho tato ho ato, toy ny fakana an-keriny, hala-jaza, fanafihana mitam-piadiana ary ireo tranga hafa manohintohina ny filaminambahoaka, dia nisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahina androany Alahady 05 Jolay 2026, niarahan’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitra miandraikitra ny Zandarmariam-pirenena ary ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
🛡️ Nohamafisina nandritra izany fa laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny fiarovana ny vahoaka Malagasy. Hamafisina ny fisian’ny mpitandro filaminana eny an-kianja, hatao laharam-pahamehana ny famotorana sy ny fanadihadiana ireo raharaha rehetra mifandraika amin’ireo tranga ireo, ary tsy handefitra velively amin’izay rehetra manohintohina ny filaminambahoaka ny Fanjakana.
📞 Raha misy tranga mampiahiahy na vaovao ilaina ampitaina dia antsoy ny 𝟏𝟒𝟕 na 𝟎𝟑𝟖 𝟏𝟖 𝟖𝟓𝟏 𝟒𝟑.
🇲🇬 Miasa ny tompon’andraikitra, mandray fepetra ny Fanjakana ary arovana mandrakariva ny vahoaka Malagasy

FANAMBARANA AVY AMIN’NY OMC NAT

Vous pourrez aussi aimer